ActualitésTsidika

CUA : Manampy ireo olona sahirana eny amin’ny fiarahamonina

Ilaina foana ny fifanampiana amin’izao vanim-potoanao izao .Mihasarotra hatrany ary miha lafo hatrany mantsy  ny vidim-piainana . Betsaka , arak’izany ny olona no tsy maharaka izany fiakaran’ny vidim-piainana izany ka misedra olana amin’ny antom-pivelomanana. Tsy  mifidy  na olon-dehibe na zaza na tanora fa dia ianjadian’izany avokoa.

Mitondra ny anjara biriky amin’ny fanasoavana sy fanampiana olona, ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba hanamaivana izany fahasahiranana izany. Ankizy miisa 318 tsy manan-kialofana ao amin’ny ivo-toerana MADCAP Isotry sy SEBA Antohomadinika no nisitraka sakafo mafana, noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Ministeran’ny Mponina ary ny Léo Club Antananarivo Ravinala.

Efa betsaka ny fikambanana izay manao asa soa amin’izao fotoana ka ilaina ny fiombonanan’ny fikambanana. Izany no atao mba ahafahana manolo-tanàna ireo olona izay tena hita fa sahirana amin’ny antom-pivelomanana. « Manao antso avo ho an’ireo fikambanana na olon-tsotra mpanao asa soa toy ny Léo Club Antananarivo Ravinala mba hiara-hiasa amin’ny fanatsarana sy fikarakarana ireo tsy manan-kialofana. », hoy ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Anisan’ny soatoavina nampiavaka ny Malagasy fahiny ny resaka fifanampiana. Tpkony ho tazomina hatrany izany fomba tsara hananan-tsika izany mb ahafahantsika miarina haingana amin’izao fijaliana mahazo ny olona sasany izao. Hery lehibe ho an’ny olona efa osa ny fahitany antsika ny fandraisana andraikitra sy fanomezana tosika azy ireo izao.

Erwan RAN

Laisser un commentaire