France : Hamela malalaka ny mponina ao Europe hiditra ao aminy
Manomboka ny 9 jona izao, afaka miditra ao France ireo mponina manerana ny Union Européenne vita vaksiny hiditra ao aminy tsy mila fanaovana fitiliana PCR. Ary ny manomboka ny 1 jolay izao aza dia hahafahana mitsika an’i Europe ny « certificat covid » ary efa nifaneken’ny firenena mikambana ao amin’ny vondrona Eoropeanina izany ny 21 may lasa teo. Ny 9 jona kosa raha ho an’i France manokana fa mila mampiseho ny fitiliana PCR tao anatin’ny 72 ora fa tsy voatery hoe rehefa tonga any vao manao fitiliana. Ary manomboka io daty io aza dia tsy voatery ho an’ny mponina ao Europe rehetra fa mety hisokatra amin’ny firenena hafa toy i Israël sy Australie.
