Ady ao Gaza : Efa andalana ny sambo hitondra ny fanampiana ara-tsakafo
Mitondra fanampiana ara-tsakafo, milanja 200 taonina eo ny sambo, izay avy amin’ny fikambanana espagnol, ONG Open Armus. Ahitana vary sy legiominezy, lafarinina, sakafo voatahiry ary proteina, izay ho vatsiana ho an’ireo mponina ao Gaza. Efa nadrasana fatratra ny fahatongavan’ny fanampiana tao an-toerana, izay efa lasibatry ny mosary ireo palestinianina amin’izao fotoana. Ity no sambo volalohany hanatitra fanampiana araka izany, taorian’ireo fandefasana fanampiana tamin’ny fiara sy tamin’ny alalan’ny fiaramanidina, izay voasakana avokoa. Ao amin’ny lakan-drano manelanelana an’i Chypre sy Gaza no nosokafana andehan’ity sambo ity. Omaly maraina no nanainga tao amin’ny seranan-tsambon’i Chypriote de Larnaca izany. Araka ny nambaran’ny avy amin’ny firenena mikambana moa, 2,2tapitrisa amin’ireo mponina 2,4 tapitrisa ao amin’ny sisi-tany palestinianina no ahiana ho tratry ny mosary, noho tsy fisian’ny rano sy ny sakafo intsony vokatry ny ady ; 1,7 tapitrisa kosa ireo nafindra.
