SocialTsidika

Ambolokandrina : Nihena iray ny mpangalatra

Nahitana vokatra sahady ny paik’ady napetraka entina miaro ny vahoaka amin’izao ankatoky ny fety izao. Jiolahy saika hamaky trano niaraka amin’ny basy feno bala indray no lavo teny Ambolokandrina ny 15 desambra lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy 30 minitra alina.

« Antso an-tari-by tamin’ireo manodidina no azonay fa misy jiolahy mihaodihaody eny Ambolokandrina, ka fotoana fohy taorian’izay no nahatongavanay ka nahita ireo andian-jiolahy » hoy ny avy eo amin’ny polisim-pirenena. « Nihena indray aloha ny jiolahy mpamaky trano eto an-drenivohitra, ka irariana mba hitohy hatrany ny fanenjehana ireo jiolahy mba hisian’ny fandriam-pahalemana » hoy i Rojo, mponina manodidina an’Ambolokandrina.

« Iaraha-mahalala ny fahasahiranana sy ny tsy fisian’ny asa. Ny andro rahateo fety ka ao ireo manararaotra sy mangalatra mba ahafahany mifety, kanefa eo indrindra no tena ilàna ny mpitandro filaminana hiaro ny vahoaka sy ny fananany » hoy i Koloina, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.

Tsara ny manamarika fa nampitomboana ireo Polisy mandeha ifotony hiaro sy hanampy ny vahoaka amin’izao ankatoky ny fety izao. Raha ho an’ Antananarivo renivohitra manokana dia miisa 1087 izy ireo, ary tsy vitan’ny hisahana ny fandriam-pahalemana ihany, fa hanamafy ny fanentanana amin’ny fanajana ny fepetra hiadiana amin’ny valan’aretina covid-19 izay manomboka miverina ankehitriny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire