Hotontosaina any Ambositra ny dingana faharoa ho an’ireo mpianatra ho zandary andiany faha-76
Nivaly ny talata 08 jona 2021 lasa teo ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary tamin’ny dingana voalohany. Niisa 9 595 ireo olona voasoratra anarana nanao ilay fifaninanana ka 1 482 no isan’ny afaka tamin’izany raha 182 tamin’ireo no vehivavy. Manomboka amin’ny 08 aogositra 2021 ny dingana faharoa izay hatao any Ambositra ka ireo olona 1 482 ireo no tokony ho tonga any an-toerana amin’io andro io. Manana fotoana malalaka tsara izy ireo mba hiomanana amin’izany. Hita eny anivon’ny tobim-paritry ny zandarimaria “Brigade” manerana ny nosy ny valin’izao dingana voalohany izao. Tsy any ihany fa any amin’ny biraon’ny vondron-tobim-pileovana na “Groupement de la gendarmerie ». Somary sarotra ihany ny dingana voalohany hoy ny mpianatra ho zandary iray. Ary mbola ezaka lebihe no ilaina amin’ny dingana faharoa ho atao any Ambositra io hoy hatrany izy. Miisa efatra ny dingana hotakiana amin’izany dingana faharoa izany hoy ny jeneraly lehiben’ny etamazaoron’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena. Ny fizahana ara-pahasalamana sy ny faharanitantsaina na « test psychotechnique », ny fanatanjahantena “sport” ary farany “entretien d’embauche sur l’aptitude de métier d’un gendarme” izany hoe ametrahana fanontaniana maromaro izy raha hita hoe tokony tandrify azy ilay asan’ny zandary na tsia. 15 andro no hanaovana io fiadinana faharoa io hoy hatrany ity Jeneraly ity ka rehefa tapitra izany dia mivoaka ny valim-panadinana. Ireo 1200 mahay indrindra no tafavoaka ka 120 amin’izy ireo no vehivavy ilaina. Mandray tsikera avy amin’izay olona manana eritreritra fa tsy nety ity “concours” ity ny avy ao amin’ny komity mpikarakara. Miara-miasa amin’ny Bianco (birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly) ny zandarimariam-pirenena sy ny ministeran’ny asam-panjakana mba hanatsarana ity fifaninanana ity. Mpisoloky, hoy hatrany izy ireo, izay miteny fa afaka manao izay mahafaka ny mpiadina amin’io dingana faharoa io. Tena manimba ny asan’ny zandary sy ny asam-panjakana ary ny Firenena mihitsy ny fisolokiana.
Nicole Rafalimananjara
