Ankadikely Ilafy : Efa tonga ao amin’ny CSBII ny vaksiny Pfizer
Efa tonga ao Ankadikely Ilafy ny « vakisny Pfizer » amin’izao fotoana izao ao amin’ny CSB II Ankadikely. Misoratra anarana mialoha ireo izay hisafidy ny hanao izany vaksiny izany. « Ankoatra ireo vakisiny hafa entina miady amin’ny valan’aretina covid-19 dia efa tonga ihany koa ny vaksiny Pfizer eto amin’ny CSB II Ankadikely » hoy ny mpitsabo ao amin’ity CSB II ity.
« Tapa-kevitra sy resy lahatra aho fa tombony ho ahy ny manao vaksiny » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Lycée Moderne Ankadikely Ilafy izay nisantatra ity vaksiny vao tonga ity. « Miara-mientana amin’ny fahombiazana isika. Tsy mbola misy ny vahaolana ho an’ity areti-mandoza ity afatsy ny vaksiny amin’izao. Manana ny safidiny anefa ny tsirairay” hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Marihana fa tsy an-tery fa safidy ny fanaovam-baksiny. Afaka misafidy amin’ireo karazam-baksiny misy ny mpisitraka tsirairay. Hanao ahoana ny tahan’ny fanaovam-baksiny?
Nicole Rafalimananjara
