ActualitésTsidika

Avaradrano : Miara-miasa ho fitandrovana amin’ny covid-19

Nanatanteraka fivoriana lehibe ny mpitondra ato amin’ny Distrika Avaradrano rehetra ny 22 desambra lasa teo. Nivoitra nandritra ny fivoriana ny tena tokony ho fampandrosoana ny Distrika. « Mila mampanaja ireo sakana ara-pahasalamana eny ifotony eny isika sefom-pokontany tsirairay avy. Afaka miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana isika eo am-panatontosana izany » hoy ny lehiben’ny Distrika Avaradrano.

« Navoitra teto ihany koa ireo antony izay mety hampitsaharana azy ireo amin’ny asany raha hita fa tsy mahantanteraka antsakany sy andavany izany ireo mpitondra isan-tsokajiny ao anatin’ny Distrika » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely. « Vonona hatrany ny tenako hanohana ireo asa fampandrosoana marolafy ety ifotony » hoy ny Ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ankadikley Ilafy, Rajaonah Rija. Marihina fa tao aorian’izao fivoriana izao ihany koa no nandraisan’ireo Sefo Fokontany ny tambikaramany nandritra ny enim-bolana farany.

Miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana ny Distrika tokoa isika rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire