ActualitésTsidika

Betsizaraina: Nozaraina mofomamy sy kilalao ireo mpianatry ny EPP

Nisy ny fiaraha-mifaly sy fizarana ny mamy tamin’ireo ankizy ao amin’ny EPP Betsizaraina nataon’i Mialy Rajoelina. Hetsika izay niarahana tamin’ny Fikambanana Wednesday Morning Group, izay efa mpiara-dalana amin’ny Fikambanana Fitia amin’ireo hetsika sosialy samihafa sy fanasoavana ny mpiara-belona.

« Ankizy miisa 160 no nozaraina mofomamy sy kilalao avy amin’ieto fikambanana roa tonta ireto, izay isaorana indrindra azy ireo izany » hoy talen-tsekoly. « Ny faniriako dia mba hankalaza ny fetin’ny Noely anjakan’ny fiadanam-po sy fitonian-tsaina ny fianakaviana tsiraray avy » hoy i Mialy Rajoelina.

« Hery lehibe amin’ny fanabeazana ny ankizy tokoa ny fanohanana azy ireo satria ny hetsika toy izany dia namampy betsaka ny ankizy tsy hiala an-daharana » hoy i Fenitra, mpianatra mikasika ny fanabeazana eny anivon’ny anjerimanontolo. Tsara tokoa ny mizara sy mifampizara ho an’ireo ankizikely amin’izao fetin’ny Noely izao izay azo lazaina ho fetin’ny ankizy ihany koa. Izay azo omena no omena sy zaraina fa tsy sanatria mamorona ny tsy misy akory.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire