Anjeva Gara : Mitohy amin’ny Fokontany hafa indray ny fanadiovana lakan-drano
Mitohy hatrany ny asa tana-maro fanadiovana lakan-drano ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny fahavaratra sy ho fanomezana asa ny mponina. Ny Fokontany Ambatofolaka indray no nisitraka ny tetik’asa tamin’ity.
« Mitovy ny fepetra : omena 5 000 Ar isan’andro, isan’olona, ny olona 100. miasa mandritra ny 15 andro, ary ora 5 isan’andro no iasana » hoy ny avy ao amin’ny GIZ, izay namatsy vola ity tetik’asa ity. « Isika rehetra no hisitraka ity fahadiovana ity ka tombony lehibe izao satria isika mponina ihany no miasa ho antsika mponina » hoy ny Ben’ny Tanàna ao Anjeva Gara, Haja Yves Raoeliarison.
« Tena mahafinaritra raha mitohy foana ny tahaka izao satria ny karama ihany koa efa tsy misy ka zara aza mba misy hamidy sakafo, sady ny fety rahateo efa akaiky » hoy i Laza, mponina ao Ambatofolaka.
Santatra amin’ny asa daholo izao fa ny manetsabe mbola ho avy hatrany. Avaradrano mandroso no tanjona.
Nicole Rafalimananjara
