ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nahazo CEG i Andranovelona

Notokanana ny 16 desambra teo ny CEG iray ao Andranovelona Ankadikely Ilafy. Ny fanabeazana tokoa no tena tsy ampy eto amin’ny firenena, ka mila fampandrosoana izany. Tanjona ny hisitrahan’ny rehetra fampianarana maimaimpoana, saingy mbola mandeha tsikelikely isika.

« Havaozina avokoa ireo trano fianarana rehetra eto amin’ity sekoly ity mba hisian’ny fitovian’ireo mpianatra manovo fahalalana eto » hoy ny Governoran’ny Faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. « Miara-mientana amin’ny fahombiazana hatrany isika, satria tsy ho vitako izaho samirery fa isika rehetra miaraka no hampandroso ny firenena indrindra ny tanànantsika » hoy ny Ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rija Rajaonah.

« Tena mankasitraka ny ezaka tahaka izao mihitsy izahay ray aman-drenin’ny mpianatra satria manan-danja lehibe amin’ny fianaran’ny ankizy raha manovo fahalalana amin’ny toerana mendrika izy ireo » hoy i Jerry, raim-pianakavinaa mampiana-janaka any Ankadikely Ilafy. Irariana tokoa mba hiroborobo tsikelikely ny sehatry ny fanabeazana, izay mitady hilatsa-danja noho ny olana maro samihafa.

Mila mifanampy sy mifanohana tokoa isika fa izay no tena vahaolana akaiky indrindra. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire