SocialTsidika

Vehivavy miasa, mety mampihen-danja ny anjara toerany ao an-tokantrano

Maro ankehitriny ny vehivavy miasa, mandray anjara amin’ny fampidiram-bola ao an-tokantrano. Raha araka ny fomba fisainana Malagasy anefa dia tsy izany mihitsy no andraikiny sy toerana misy azy rehefa manambady. Ny vehivavy no loharano hipoirana. Izy no ravaky ny tokantrano. Izy no mpitaiza sy mpikarakara ary mpampandeha ny fiainan-tokantrano. Izy no mpampita voalohany ny fahalalana sy fahaiza-miaina amin’ny zanaka. Izy mihitsy ary no fototry ny kolon-tsaina. Izy no mpampita ny fanao, ny fomba, ny mety sy ny tsy mety volohany. Izy no mampianatra ny ankizy hahay hiarahaba, hahay hiaiky ny hadisoana… Izy no loharano hahaizany ny fitiavana, ny fahaiza-miaina farak’izay kely indrindra. Mihen-danja araka izany izay toerany izay ankehitriny. Tsy tena izy intsony no reni-tantely mpampita ny soatoavina voalohany. Lasa miankina be amin’ny mpanampy an-trano izany, na ireo toeram-pitaizana zazakely toy ny “crèche”, na ihany koa ireo mpiara-monina manodidina. Azo lazaina hoe mahavery ny kolon-tsaina Malagasy izany rehetra izany. 

Eo anatrehan’izany, lasa mifangaro ihany koa ny toeran’ny lahy sy ny vavy eo anivon’ny tokantrano. Tsy fantatra intsony hoe iza no lohany. Ny vola mantsy no maha rangahy. Koa raha lasa manam-bola ny vehivavy, tsy hiseho ho rangahy ihany koa izy izany… Na amin’ny resaka fanapahana ary lasa mifangaro. Raha ny lahy no lohany teo aloha efa lasa hifanarahana sy hifanapahana ary hifampizarana daholo ny ao an-tokantrano.  

Tsy voatery jerena amin’ny lafi-ratsiny anefa izany fiovan’ny kolon-tsaina izany. Ilay vehivavy noraisina ho fanaka malemy teo aloha lasa nanana ny toerany eo anivon’ny firaha-monina. Tsy atao ambanin-javatra intsony. Mahatoky tena kokoa ary mahasahy maneho hevitra sy mitsipaka ny tsy mety. Maro ankehitriny ny vehivavy mitana toerana ambony eto anivon’ny fitantanana ny firenena. Mahavita azy ireny ary hita taratra fa tsy manala ny mahareny azy anefa izany. Vita ihany noho izany ny mitazona ilay anjara toerana eo anivon’ny tokantrano amin’ny mahavehivavy sy ny miandraikitra asa hafa. Ilaina fotsiny ny fahaizana mandanjalanja sy mampirindra ny fifandraisana.

Diamondra Randriantsiferana

Laisser un commentaire