ActualitésTsidika

Anjeva: Nahazo rano fisotro madio avy amin’ny filoham-pirenena teo aloha ny fokontany Imerikasinina

Tonga tao amin’ny fokontany Imerikasinina ny filoham-pirenena teo aloha mivady, Marc Ravalomanana, ny alahady teo ary nametraka paompin-drano ho an’ny mponina tao an-toerana.

“Afa-pahasahiranana ny mponina eto amin’ny fokontany Imerikasinina fa tsy midina lavitra intsony dia misitraka rano fisotro madio. Misy paompin-drano telo isa eo an-tanàna amin’izao fotoana » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Ny kaominina Anjeva gara sy ny fokonolona teny an-toerana no nandray anjara taminn’y fanamboarana ny tamboho manodidina sy ny ady tatatra ary ny fikojakojana ny fotodrafitrasa mba aharitra amin’izany” hoy hatrany ny fanazavana.

Foto-drafitr’asa anisan’ny tena ilain’ny mponina ny paompin-drano. Mbola sarotra ho an’ny mponina, indrindra ny eny ambanivohitra anefa ny fisitrahana izany noho ny tsy fisiana foto-drafitr’asa. Hafaliana araka izany no nandraisan’ny mponina izao rano fisotro madio izao.

Laisser un commentaire