SocialTatitra

France : Lehilahy dimam-polo nokarohina, hita nihantona tao amin’ny tetezana tao Nantes

Tsy hita tao amin’ny lalana manodidina ny tetezana Anne de Bretagne ity lehilahy iray ity. Ny talata teo, niantso ny sampana mpamonjy voina ny mpitandro filaminana tao Nantes, mba hikaroka ity lehilahy 50 taona ity, izay tsiy hita nanomboka ny 11 alina, teo amin’ny faritry antsoina hoe « quai de la fosse » sy ny tetezan-kely Victor-Schoelcher, izay ao anatin’ny fanamboarana amin’izao fotoana.  Tamin’izay no nampiasa alika mpitsongo dia ireo avy amin’ny sampana mpamonjy voina ka nahitana ny toerana nisy ity lehilahy ity. Araka ny nambaran’ireo sampana miandraikitra ny vonjy voina tao Loire-Atlantique, manodidina ny tamin’ny 1ora sy 24 minitra maraina, no hita tao amin’ny ranon’i Loire ity lehilahy nokarohina ity, izay nihantona tamin’ny fefin’ny tetezana Anne de Bretagne. Heverina noho ny fanavotan’ireo mpilomano azy no nahavotra ny ainy. Noraisin’ny sampana mpamonjy voina avy hatrany ity lehilahy ity, ary nentina namonjy hopitaly ; nahitana ratra moa izy.

Laisser un commentaire