SocialTsidika

Amin’ny fotoanan’ny fahadolantsento no tena ilaina ny ray aman-dreny

Lasibatra amin’ny fanolanana ny ankizivavy tsy ampy taona amin’izao. Vao tsy ela akory izay no tratra ilay raim-pianakaviana nahavita nanolana ny zanany vavy 9 Taona monja. Tsy afaka miteny sy malemy eo anatrehan’ny herin-dehilahy mantsy ny ankizivavikely ka araraotin’izy ireo hanaparana ny filan-dratsiny. Mampalahelo ny toy izany indrindra ity tranga tany Antalaha ity satria ankizivavy 14 taona no voaolana 4-dahy be izao raha 14 taona, 15 taona, 17 taona, 20 taona avy. Efa tamin’ny volana febroary no nitranga ny herisetra ara-nofo fa mandrakizay ny takaitra napetrany. Simba ny vatany satria tsy mbola amin’ny taonany mahazaka izany izy, simba ihany koa ny sainy satria tsy herisetra ara-batana ihany no hita fa eo ihany koa ny ara-tsaina. Tsy nahasahy niteny ity zazavavy ity raha niharan’izany raha tsy tsikaritra fa narary 2 andro taorian’ny fanolanana vao nitantara tamin’ny ray aman-dreniny. Tsy nanaiky ireto farany ka nampiakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana ary notazomina am-ponja vonjimaika ireto mpanolana. Tsy zakan’ny saina ny herisetra nahazo ity zazavavy ity nandritra izany fotoana izany. Sahy izy efa-dahy ireto ary hinoana fa miampy fitarihan-dratsy no miampy zava-mahadomelina ihany koa. Ireto mpanolana izay azo lazaina fa mbola anatin’ny taona adolantsento, mannadrana mijery irony horonantsary mamoafady irony ka manandrana mampihatra avy eo. Tsy ampy ny fitaizana ho olo-banona avy amin’ny ray aman-dreny, mila faanaraha-maso ny zaza rehefa amin’ireo taoan aireo na lahy na vavy izany. Ho mora ny fiantrehany ny fialantsakana raha eo anilany hatrany ny ray aman-dreniny manoro azy aminn’y lala-mahitsy.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire