Miseho amin’ny endriny maro ny fisolokiana
Miseho amin’ny endriny maro samihafa ny fanararaotana sy ny fisolokiana isan-karazany amin’izao. Rehefa mahay miresaka sy mahay mandresy lahatra iny ilay mpisoloky dia mora babo ilay olona. Anisany amin’izany ny tranga tany Sambava ny Alakamisy 15 Avrily teo, Ramatoa milaza ho mahay manasitrana sy managana ho velona no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Nilaza ho fenon’ny fanahy masina ka mahay izany rehetra izany, efa tanaty fahaverezan-kevitra tanteraka ihany koa ny havan’ity vehivavy narary mafy nanomboka ny voalohan’ny volana Avrily teo. Nakany vola foana anefa ny fianakaviana, ilay narary aza vao maika narary ka maty mihitsy aza. Mbola nambarany koa aza hoe mahay manangana ny maty izy ka notazominy adiny 4 be izao andro alina tao an-tranony ilay maty. Tezitra ny fianakaviana rehefa tsy nahitam-bokany izany, nahoraka eran’ny tanana ny vaovao ary tezitra ny fokonolona.Saika niharann’y fitsaram-bahoaka ilay fenon’ny fanahy masina tamin’ny voalohany raha tsy niidtra an-tsehatra ny zandary. Efa eo am-pelatanan’izy ireo araka izany ity ramatoa mpitsabo ity ary efa mandeha ny famotorana azy. Mila mitandrina isika, mila miaina anaty lojika ihany koa mba tsy ho mora voarebirebin’ny hafa. Izay mpitabo ara-dalana ihany no tokony hanatonana raha misy ny marary.
Nicole Rafalimananjara
