Miezaka hatrany ny zandary
Efa manao ny ezaka fanaraha-maso ireo ambaran’ny zandary fa faritra saro-pady amin’ny mponina izy ireo ankehitriny. Efa maro mantsy ny antso voarain’izy ireo fa mateti-pihavy ny mpamaky trano sy trano indrindra amin’iny faritra Morarano, Andranomadio any Antsinanana iny. Nandray ny andraikiny ny Vondompileovan’ny Zandary Antsinanana nanoloana izany. Vokany, nahatratra jiolahy miisa 11 tao Vohimbendrana sy Ambalamanasy Toamasina ary Basy 3 izy ireo ny faran’ny herinandron’ny 12 Aprily teo. Izany no vokatra dia noho ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona ifotony indrindra ireo lasibatra. Ny zandary ihany koa tsy miandry ela aorian’ny antso. Hiakatra fitsarana avy hatrany ireto 11 lahy tratra ireto. Manana ny laharana maintso 119 ny zandary raha mila fanampiana amin’izy ireo. Fanafihana roa no nataon’ireto jiolahy ireto ; ny iray vaky trano tany Vohimbendrana ary ny faharoa fanafihana mpampianatry ny Oniversite. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny entam-barotra sy ny « panneau solaire », ny basy kilalao sy tena izy. Tsy nisy afa-nandà izy ireto satria tratra tany an-trano fiafenany niaraka tamin’ireo fitaovana ireo. Roviana vao ho tapitra ny asan-dahalo eto amintsika ?
Nicole Rafalimananjara
