Alasora: Nampiana ireo jiro manazava noho ny fangatahan’ny sefo fokontany
Namaly ny fangatahana nataon’ny sefo fokontany ao Ankadievo Alasora ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy. Nampiana isa ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay napetraka tao an-toerana araka ny fangatahan’izy ireo sy ny mponina.
“Mamaly sy mitondra vahaolana hatrany ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina hahafahan’ny vahoaka miaina am-pilaminana. Mbola hisy hatrany ny fametrahana ho an’ireo faritra hafa anefa fa tsy hijanona amin’ny fokontany iray ihany” hoy ireo tomponandraikitra ao anatin’ny kaominina.
“Mazava tokoa ny fokontany Ankadievo ankehitriny, hisaorana feno ny fandraisana andraikitry ny kaominina. ny fitandroana ireo fananana no mila hamafisina manomboka izao” hoy I Hasina, mponina ao Ankadievo.
Managataka ny fanomezana sy ny fametrahana izany jiro manazava izany ihany koa ireo mponina amin’ny fokontany sasany ao Alasora. Ankoatra ny jiro, anisan’ny mampitaraina ireo mponina ihany koa ny lalana ao an-toerana. Mila ezaka avy amin’ny tomponandraikitra hatrany araka izany ny famahana izany satria tafiditra anatin’ny filàn’ny mponina andavan’andro.
Manitra Ramanantsoa
