The Distinguished Gentleman’s drive : Nivoaka indray ireo fiara taloha tamin’ny hetsika nokarakaraina
Dépêche 27 septembre, 12h, Mpamily lehilahy sy vehivavy samy amin’ny haingo sy fiara manaraka ny taonan’ireo fiara taloha ireo indray no nameno ny araben’Antananarivo. Hetsika efa fanao isan-taona mba entina hanehoana fa tsra ny fiara taloha sady hanehoana fa mbola misy izy ireny fa indrindra entina hanentanana ny olona amin’ny fiadiana amin’ny homamiadan’ny prostaty. Nihodidina ny tanàna izy ireo talohan’ny nijanonana teo amin’ny Tana Water Front mba ho hitan’ireo mpankafy.
