Renivohitra: Nitrangana tsy fahandriam-pahalemana
27 oktobra; Olona iray fiara fitanteram-bahoaka no niara-voaendaky ny jiolahy miisa efatra tao anatin’ny zotra 165 niala Anosy handeha ho any Analakely omaly. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy ireo jiolahy. Lasan’ireo jiolahy avokoa ny vola, ny entana ary ny findain’ireo mpandeha rehetra nandritra izany. Tao anatin’ny tohamboivoy, tao anatin’ny tunnel Ambohidahy moa no nanararaotan’ireo nanaovana ny asa ratsiny.
