Sambava: Nahazo milina fanamboarana savony
27 oktobra: voapetraka ao Sambava ny milina fanamboarana savony ampiasana akora vita avy amin’ny voanio, ny alatsinainy lasa teo. Tafiditra anatin’ireo fitaovana entina hanatanterahana ny tetika Taniketsa Indostrialy ODOF (One District One Factory) ny fametrahana ity milina ity.
