Avaradrano: Ilaina ny fametrahana sampana vonjy voina
Nisehoana hain-trano tao amin’ny fokontany Angavao Alasora, kaominina Alasora, ny alaroboia teo. Trano iray no may kila forehitra nandritra izany ary tsy nisy azo noraisiny intsony ny entana tao anatiny. Teo anatrehan’izany, ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina, avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra no niara-nisalahy tamin’ny famonoana ny afo.
“Manoloana ny loza tahaka izao dia anisan’ny olana ho an’ny famonoana ny afo hatrany ny resaka mpamonjy voina sy ny tsy fisian’ny rano ka tsy ampy fiaraha-mientana amin’ny vonjy voina. Mila mametraka rafitra na paik’ady araka izany ny tomponandraikitra mba hisahana ny resaka vonjy voina, ka tsy hiandry ireo avy any amin’ny renivohitra hisorohana ny mety ho fihitaran’ny loza” hoy i Haja, tomponandraikitra misahana orinasa.
“Amin’izao fotoana efa tena mivelatra eto Antananarivo, kanefa amin’ny fotoana mai-tany tahaka izao dia maro ireo loza miseho. Ny eto amintsika anefa dia sampana iray ihany hatreto no miandraikitra ny vonjy voina amin’ny ankapobeny. Ka tokony hitarina izany sampana izany hisorohana ny loza samihafa na aparitaka eny amin’ny distrika sy ny kaominina” hoy hatrany ny fanazavana.
Raha tsiahivina, hain-trano tsy latsaky ny telo no niseho tamin’ity herinandro ity. Maro ireo antony mety mahatonga izany, saingy ilaina ny fitandremana sy ny fahamailona ao anatin’izany.
Manitra R.
