France : Nankalaza ny fahazato taonany ny amiraly Philippe de Gaulle
Nametraka ny fitaovam-piadiana teo an-kavia avokoa ireo mpiara-dia amin’ny Fanafahana rehetra. Efa lavo avokoa ireo vavolombelon’izany rehetra, saingy mbola mitoetra i Philippe de Gaulle, nankalaza ny faha 100 taonany ny talata teo.Manam-boninahitra ny tafika an-dranomasina izy ary mpanao politika. Tamin’ny taona 1982 izy no namarana ny asany tao amin’ny tafika teo amin’ny toeran’ny amiraly, ary lasa loholon’i Paris ny taona 1986 hatramin’ny 2004.
