Turquie : Vehivavy iray nanambady ny olona nanimba ny tarehiny tamin’ny asidra
Vehivavy iray antsoina hoe Berfin Ozek no notondrahan’ny olon-tiany Casim Ozan Celtik asidra teo amin’ny tarehiny ny taona 2019. Tao amin’ny distrikan’i Alexandrette ao atsimon’i Turquie no niseho ny tranga ary antony io herisetra nataon’ny lehilahy io ny hasarotampiarony tamin-dravehivavy, izay nilazany tamin’izany fa « raha tsy azy dia tsy ho an’iza na iza ».Simba tanteraka ny tarehin’io vehivavy, io ary nitarika fahajamban’ny masony ilany sy ny fihenan’ny fahitan’ny masony iray 30% izany. Voaleka nigadra 13 taona i Casim Ozan Celtik manoloana izany, saingy noho ny fiovan’ny lalàna sy ny valan’aretina dia nivoaka volana vitsivitsy teo izy.Nandefa taratasy fifonana ho an’i Berfin Ozek foana i Casim Ozan Celtik fony izy tao am-ponja. Nangata-bady an’i Berfin Ozek izy vao nivoaka ny fonja ary na teo aza ny fandraran’ny havan-dravehivavy izany dia nanaiky i Berfin Ozek.
