ActualitésTatitra

Comores : Mpifindra-monina 92 isa no tafatsoaka

Mpifindra-monina afrikanina 92 isa no tafatsoaka teo ambany fanarahamason’ny mpiambina ny sisin-tanin’i Comores. Niandraikitra ny fandrindrana ny toeram-piazonana ireo mpifindra-monina « centre de rétention administrative » tao Moroni izy ireo. Manoloana izany dia nalàna tamin’ny andraikiny ny lieutenant-colonel, Moudjib-Rahamane Adaine izay komandin’io tafika io.

Raha tsahivina dia tonga ny volana janoary 2023 tao amin’ny nosy Mohéli ny 31 tamin’ireo mpifindra-monina ireo. Nihevitra ny tenany tao Mayotte izay toerana tena nokasain’izy ireo naleha ireto farany raha ny fanazavana. Roa volana taorain’izany nefa dia nisy mpifindra-monina 61 isa indray saron’ny zandary. Manoloana ny habetsahan’ireo mpifindra-monina ireo dia navadika ho « centre de rétention » ny toby tao Bonovo saingy izao votsitra izao avokoa izy 92.

Laisser un commentaire