Fanatanjahantena: Andalam-pikarohana izay hisolo ny toeran’I Nicola Dupuis ny FMF
Dépêche 20 avril, 13h, Taorian’ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny fialan’ny Nicolas Dupuis tsy ho mpanazatra ny barea intsony dia andalam-pikarohana izay solony amin’izao fotoana izao ny FMF. Amin’izao fotoana izao dia mangataka ny hevitr’ireo mpankafy baolina kitra izy ireo ao amin’ny pejiny amin’izay tsara hatao solony. Tsy tokony ho kitoatoa ny fanendrena io mpanazatra io ka tsy maintsy hisy ny “entretien” amin’ireo tonga mametraka ny fangatahana. Marihina fa hitondra ny ekipa ho an’ny lalao amin’ny volana septambra ao anatin’ny fiadian-toerana ho amin’ny CAN izay ho lany eo.
