OMDA: Efa am-perin’asa tanteraka ny Tale vaovao
Dépêche 20 avril, 14h, Vita ny alarobia 19 aprily teo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale vaovaon’ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona (OMDA), Joelinirina Rarivoson, sy ny tale mpisolo toerana, Randrianirina Rogesselin. Marihina fa efa herinandro teo izay no vita ny fanendrena ity talen’ny OMDA vaovao ity. Manana vina ny hampiroborobo ny asa eo anivon’ity fitaleavana ity ny tenany miaraka amin’ireo filankevim-pitantanana voasafidy ny volana janoary teo. Feno ankehitriny ny fepetra ahafahana mamaha ny olana amin’ny fampisitrahana ny tombotsoan’ny mpamorona izay niato nandritra ny fotoana elaela. Mirary soa azy hahavita be.
