Ho tohizana eny Ambodimita ny hetsik’ireo kandida 11.
16 oktobra, tao aorinan’ny hetsika natao ny farany herin’andro. Mitohy eny Ambodimita (Ron’akoho) ny tolona ampilaminana ataon’ireo kandida 11. Androany 16 oktobra amin’ny 10 ora maraina ny fotoana hanantanterahana izany. Mbola mitoetra hatrany ny fampitovizana ny loko fotsy sy ny fitondrana ny sainam-pirenena ho mariky ny fiaraha-mientana.
