ActualitésTsidika

Fitsarana Baccalauréat : Ratsy ireo naoty amin’ny taranja « littéraire »

Ratsy ireo naoty amin’ny taranja « littéraire ». Eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo eny Ankatso no hanatanterahina ny fitsarana ireo taratasim-panadinana Baccalauréat. Taranja « littéraire » no nahitana naoty ratsy hatreto hoy ny mpitsara. « Kandida maromaro no nahazo naoty 06/20. Taratasim-panadinana 7 amin’ny 50 no nahitako naoty ratsy nandritra ny fitsarana nataoko » hoy ny mpitsara fanadinana iray. Antony izany faharatsian’ny naoty izany, ny tsy famalian’ireo mpiadina tsara ireo fanontaniana napetraka taminy.

« Ho an’ny sokajy D, tamin’ny taratasim-panadinana notsaraiko, maromaro ireo mpiadina no namerina nandika fotsiny ilay lahatsoratra tokony ho hanaovana fanadohadihana lahatsoratra tamin’ny taranja Tantara sy Jeografia. Ka izay no nahatonga ahy nampidina ny naoty » hoy hatrany ny fanazavan’ilay mpitsara. Hoan’ny taranja matetika indray, voatery nanao fifampidinihana nandritra ny tapak’andro ireo mpitsara ity taranja ity mba hitovy nt salan’isa omena.

Ho an’ny sokajy C kosa, niteraka adi-hevitra teo amin’ny samy mpitsara ny salan’isa teo amin’ny PGCD amin’ny taranja matematika ihany. Na dia nisy fahasarotana kely ary ireo taranja sasantsany, manantena ny ho afaka avokoa ny ankamaroan’ireo mpiadina. « Ny taranja Tantara sy Jeografia no azoazo raha hampithaina amin’ny taranja hafa. Azo lazaina mora ihany ny Baccalauréat tamin’ity taona ity » hoy i Kanto, mpiadina iray sokajy A2. Hoan’ny candida amin’ny sokajy siantifika, sarotsarotra ireo taranja fototra toy ny matematika, fizika sy simia hoy ny fanehoan-kevitry i Jimmy, mpiadina sokajy C. Mbola maro ireo taratasim-panadinana ho tsaraina ary araka ny efa nambara hivoaka ny volana Septambra hoavy io ny valin’ny fanadinana Baccalauréat indrindra hoan’ny Antananarivo izay be mpiadina nisoratra anarana indrindra noho ireo faritra hafa. Raha izany hanao ahoana ny taham-pahafahan’ireo mpiadina Baccalauréat amin’ity taona ity?

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire