Tsy fananana ve sa fialàna andraikitra ny fanariana zaza ?
Zaza vao roa volana monja no hita teo amin’ny totohobato akaikin’ny Cite ao Fianarantsoa. Efa nentin’ny Prezida ny Boriborintany Isaha sy ny fokonolona eny amin’ny mpitandro filaminana ilay zaza. Tsy fantatra kosa ireo Ray aman-dreniny.
Ny fiainana ve no efa sarotra ka manary menaky ny aina ny olombelona sa tsy fandraisan’andraikitra tsotr’izao ny antony hahitana zaza mena vava apetrapetraky ny ray aman-dreniny eny amoron-dalana sy ny sisa eny ? Maro tokoa ny tranga toy izany hita eny amin’ny fiaraha-monina rehetra eny.
Samy manana ny filazany avokoa ny olona tsirairay manoloana izao toe-javatra izao. Ao ireo milaza fa tsy fialana adidy ny anton’izany, toa izao fanehoan-kevitr’i Narindra izao : « Fialana andraikitra tsotr’izao no antony fanarian’ny ray amand-dreny ny zanany ». « Noho ny tsy fananana ary ihany koa tsy fitiavana hahita ny zanaka hijaly no mahatonga ny fanarian-jaza. Aleon’ireo ray aman-dreny avela tezain’ny olona hafa toy izay hijaly eo am-pelatanan » hoy kosa i Norosoa.
Efa zary lasa fiainana ny fahitana zaza misy manary eny an-dalana rehetra eny ankehitriny. Misy aza moa vao teraka tsy mitapaka tadi-poitra ary tsy mitafy no arian’ny reniny. Tsy miy mahalala izay antony aloha fa ny fisorohana izany tranga izany no afaka atao, toy ny fanamafisana ny fanentanana ny amin’ny fandrindram-piterahana eny anivon’ny tobim-pahasalamana manerana ny Madagasikara mba hifadiana ny vohoka tsy iriana. Ny eny anivon’ny fokontany rehetra eny ihany koa, tsara asiana hetsika fampianarana ny vehivavy indrindra ny amin’ny fitaizana sy maha sarobidy ny zanaka, ary farany, ilaina ny famoronana asa ho an’ny olom-pirenena mba hialana amin’ny fasahiranana lavareny ka mahatonga azy mandray fanapaha-kevitra manatao foana. Fa raha ny eo amin’ny resaka fitiavana no asiana resaka, aiza ho aiza ilay hoe « fon-dreny » niteraka manoloana izao tranga izao ?
Tsangy Randriamampianina
