Anjeva : Brocolis halatra, tratra teny amin’ny lehilahy iray
Nisehoana halatra « brocolis » tao amin’ny faritra Ankadiefajoro, kaominina Anjeva gara, ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray no nampiahiahy, rehefa narahina ireo mpitondra entana maraina, teny Mahazo, ka sarona avy hatrany rehefa niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary, araka ny voalaza.
« Ny alin’ny 14 janoary no niseho ny halatra brocolis ka ny marainan’ny 15 janoary dia narahin’ny tompony sy ny zandary teny Mahazo ny entana ka tratra teny amin’ny rangahy iray ny brocolis iray gona, miisa 48, izay nampiahiahy satria notapahina fohy kely ny vodiny. Rehefa izany dia nilaza ilay rangahy fa entana nalefan ‘olona avy any Anjeva ireo ka niantso fotsiny izy dia notsenaina » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.
« Nampiahiahy ny valinteniny ka rehefa nofitahina sy nohadihadiana lalina dia niaiky ihany fa halatra ireo ary 03 lahy izy no nanatanteraka izany ary mbola karohina ny namany roalahy. Nahiditra am-ponja eny Antanimora kosa ity farany» hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny legioma lavo vidy ny « brocolis » ary ny kaominina Anjeva dia anisan’ny mamokatra izany. Ilaina hatrany ny fahamailona sy ny fitandremana amin’izao fotoana. Ireo mpitandro filaminana ao an-toerana moa dia tsy mitsahatra ny manentana ny rehetra amin’ny fiambenana ny voly sy ny biby fiompy, manoloana ny fihanakin’ny asa ratsy amin’izao. Afaka antsoina amin’ny laharana 0347091623 moa ny poste avancé Anjeva gara.
