Ambohimangakely: Mitohy ny fanomezana fampianarana maimaim-poana
Mitohy hatrany ny fanomezana fampianarana maimaim-poana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Hisy ny fampianarana teny vahiny (Espagnol) ao an-toerana, hanomboka ny volana May izao.
« Fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny mpiara-miombon’antoka aminy dia hanolotra fampianarana maimaim-poana, teny espagnol ho an’ny tanora vao manomboka, eo amin’ny 15 taona no mihoatra. Aharitra dimy volana ny fampianarana ary malalaka ny mpianatra misafidy izay ora hianarany » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Maimaim-poana tanteraka ny fampianarana atolotry ny kaominina mba ahafahan’ny mpianatra mifehy ny fitenena ao anatin’ny fotoana fohy. Misy moa ny boky vidina amin’ny vidiny mirary ho an’ny mpianatra tsirairay » hoy hatrany ny fanazavana.
Rahampitso sabotsy 27 aprily sy ny 04 may no fisoratana anarana ho an’izay liana amin’ity fampianarana ity. Ao amin’ny biraon’ny kaominina no hanaovana izany. Hanomboka ny alarobia 6 may izao moa ny fampianarana.
