SocialTsidika

Hiara-hiasa amin’ny mpandraharaha any ivelany kanefa ny mpandraharaha eto an-toerana betsaka

Nisy ny fihaonan’ny filoham-pirenena Malagasy tamin’ireo mpandraharaha vahiny ary tapaka fa hatsangana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mba hanarenana ny fahaelan’ny fandrosoana eto amin’ny nosy.

« Misokatra amin’ny fampiasam-bola i Madagasikara mba hanarenana ny firenena ka azo hisintomana ny mpampiasa vola ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ireo vokatra vita Malagasy, ny famokarana, ny fotodrafitrsa, ny angovo saingy ny fiaraha-miombon’antoka ara-drariny no tena ilaina » hoy ny filoha Rajoelina Andry. « Mampamiratra antsika eo imason’izao tontolo izao ny vokatry ny tany Malagasy. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa isika ary maro ireo sehatra nanaovana fifampiresahana tamin’ireo mpandraharaha maro tonga tao Paris izay avy amin’ny firenena 31 maneran-tany » hoy ny Ministeran’ny zava-kanto, namonjy ilay fihaonambe tany Paris. Tetsy an-kilany anefa naneho ny heviny i Faniry, mpandraharaha iray eto Antananarivo : « fisehosehoana no betsaka, maninona raha ny mpandraharaha Malagasy no tohanana sy atosika tsara ho lasa lavitra fa tsy misolelaka amin’ny vahiny eo ».

« Te ho lasa lavitra amin’ny resaka fandraharahana izahay kanefa ny sehatra no tsy ampy loatra eto amintsika eny fa na ny fampiofanana fostiny ihany aza” hoy i Romain, tanora. Vahaolana ho an’ny firenena tokoa ve ny fiaraha-miasa amin’ireo mapndraharaha vahiny ? Firifiry ny mpandraharaha eto Madagasikara anefa ? Mila tosika ny asa-tanana hasehoseho any ivelany ireo ary efa azo lazaina ho mpandraharaha ireo mpikirakira azy, moa tsy ireo ve aloha no tokony hiaraha-miasa voalohany ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire