SocialTatitra

Grèce : Vita ny rindrina miady amin’ny mpifindra monina eo amin’ny sisin-tanin’i Turquie

Mba hiadiana amin’ny fahatongavan’ireo mpitsoa-ponenena avy any Afghanistan ao Grèce dia nanangana rindrina 40 kilometatra izy ireo manamorona ny sisin-tanin’i Turquie. Marihina fa efa nisy rindrina 12 kilometatra no nanasaraka ireto firenena roa ireto ka fanitarana ihany izany ity nataon’i Grèce ity. Niampy rafitra fanaraha-maso elektronika sy mpiambina sisin-tany miisa 1.200 an-tanety sy an-dranomasina ihany koa ny fahavitan’ity rindrina ity raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire