Bevalala : Zaza manevava nisy nanary
Rangahy iray sendra nivoaka vao mangiran-dratsy tetsy amin’ny kianja maitso Bevalala no nahatsikaritra zavatra nietsiketsika tao anaty sakaosy tsy lavitra azy ny marainan’ny 25 aogositra teo. Rehefa nosokafany io dia zaza menavava vavikely nisy nanary no hita tao anatiny.
« Nandeha aho ary taitra raha nahare feo mikofoka, akory ny hagagako fa zaza vao teraka mihitsy ilay izy satria mbola niaraka tamin’ity farany ny tavoniny sy ny lamba maloto nifafan’ilay niteraka azy » hoy ilay raim-pinakaviana nahita azy.
« Nampalahelo loatra ny nahita ity menavava ka noraiko an-tanana ny fikarakara azy fa nialohan’izay aloha dia nampandrenesina ny Kaominina sy ny fokontany ary ny mpitandro filaminana » hoy ny olona iray tsara sitra-po teny amin’ny manodidina nanaiky nikarakara ilay zaza. « Sahy tena sahy ny nahavita nanary ity zaza ity, tsy ho zakany mihitsy ny tody raha maty teo ilay vao menavava, aleo mitandrina hatrany ry tanora manoloana ny fankam-panahy mba hanaovana ny tahaka izao » hoy ny mpitondra fanjakana tany an-toerana. Nentina avy hatrany teny amin’ny tobim-pahasalamana ilay zaza menavava ary nomena ny fitsaboana sahaza azy ary salama tsara izy ankehitriny.
Mampalahelo tokoa ny zava-mitranga satria ny lehibe ny manao ny ataony ka ny tsy manna-tsiny no mahazo loza sy atositosika tahaka izao. Inona no vahaolana mba tsy hanariana ny menavava tahaka izao intsony ?
Nicole Rafalimananjara
