SocialTsidika

Sambava : Mitaky vola ireo olon-dratsy nandefa sary

Vao tsy ela izay no tsy hita i Omeda avy any Sambava ary nandefa filazana tetsy sy teroa ny fianakaviany. Ny 25 aogositra teo anefa, nisy nandefa sary ny havany ary mitaky vola be takalon’aina ireo olona mitazona azy.

« Nisy sary tonga tany amin’ny vadiny vao maraina ary nangataka izahay mba hanamarinana fa tena i Omeda tokoa ilay sary » hoy ny fianakaviany. « Sary mamparary fo no nalefan’izy ireo avy any satria dia miborodana tanteraka ny tapany ambony, sady toa misy dian- kapoka maromaro » hoy kosa ny vadiny. « Mampalahelo ny zava-misy, tsy zakan’ny saina, miangavy ny manam-pahefana tsy hijery fotsiny ny zava-misy fa hanao izay tratran’ny heriny hanampiana ny fianakaviana » hoy i Gerard, mponina any Sambava. Inona no tokony ho atao manoloana izao ? Hatahorana ihany koa anefa etsy an-kilany izay mety ho ataon’ny olon-dratsy amin’ity renim-pianakaviana ity. Tsy azo toky ihany koa raha tena i Omeda tokoa ilay sary na fomba hakana vola fotsiny ihany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire