ActualitésTsidika

Manomboka rahampitso ny « tournée Star Janga 2021 »

Fantatra fa tsy afaka hanokatra ny andiam-pampisehoana ny harivan’ny 27 aogositra amin’ny « Tournée Star Janga 2021 » indray i Jaojoby ka i Stéphanie no hisolo azy amin’izany. Marihina fa eny amin’ny village touristique Mahajanga no hanatontosaina ny hetsika isan-kariva manomboka ny zoma izao.

« Nisy ny fiovana satria saika teny amin’ny Bord Mahajanga no noeritreretana azy ka navadika ho eny amin’ny village tousitique indray, ary novaina an’i Stéphanie i Jaojoby ary nampanarahana izany koa ny afisy rehetra, tsy misy kosa ny fiovana ankoatran’izay » hoy ny tompon’andraikitry ny Star izay mikarakara ny hetsika.

« Ny fanentanana sy lalao samihafa no hanombohana ny hetsika io zoma io eny amin’ny Grand Pavois fa ny hariva kosa no eny amin’ny Village touristique noho ny toerana malalaka » hoy i Zo, mpampilalao mandritra izany. « Miala voly kely sady betsaka ihany koa ny mpiala sasatra tonga aty amin’izao, efa sasa-miandry fotsiny ny hetsika tahaka izao » hoy i Melanie, mponina ao Mahajanga. Tsiahivina fa hiara-dalana hatrany amin’ny « tournée Star » ny tetik’asa « Kopakelatra ». Natao indrindra hitsinjovana ny fanadiovana sy hisorohana ny loto izay ho aterakin’ny tavoahangy Plastika, k any tontolo iainana voaaro, ny fahafinaretana azo ihany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire