ActualitésTsidika

Alasora : Tratra ireo olon-dratsy nanao fanafihana tao Mahitsy

Manamora ny asan’ny mpitandron’ny filaminana ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka. Tratran’ny CSP Alasora tamin’ny talata teo ireo jiolajy, rain-dahiny amin’ny fanafihana sy ny fanaovana asa ratsy ao Alasora.

« Rehefa natao ny fikarohana sy vela-pandrika, niampy ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitra-po dia voasambotra ireo jiolahy izay tompon’antoka tamin’ny fanafihana cash point teny Mahitsy. Izy ireo ihany koa fia efa tompon’antoka amin’ny fanafihana maro rny amin’ny faritra By-pass iny » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

« Ezaka toa izao no handrasan’ny vahoaka amin’ny mpitandro filaminana. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra tahaka izao, tsy misy azon’ny vahoaka antenaina. Ny hirariana mba ho sazy sahaza ny heloka vitany no omena ireo olon-dratsy ireo » hoy i Herilala, mpianatra mpandinika fiaraha-monina.

Ilaina ny fahasahiana amin’ny fitorohana eny amin’ny polisy. Ireo mpitandro filaminana ihany koa izay tsy mitsahatra manentana ny mponina amin’ny fiaraha-miasa sy ny filazam-baovao raha misy na mahita tranga mampiahiahy. Natolotra ny sampana ady heloka bevava Polisim-pirenena moa ity raharaha ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire