Efa manomana ny fizotran’ny lanonana amin’ny 2 septambra ny EMMO/NAT
Nanatontosa fivoriam-panomanana ny lanonam-panokanana ny « Kianja Barea » Mahamasina sy ny lalao hifanandrianan’i Barea Madagasikara sy Bénin ny Mpitantana ny EMMO/NAT ny 25 aogositra 2021 teo teny amin’ny Toby Jeneraly Richard Ratsimandrava.
Tapaka fa amin’ny 10 ora maraina ny andron’ny 02 septambra no manomboka misokatra ireo vavahady ho an’ny rehetra, izay hisy ny fitsirihana. « Amin’ny 3 ora tolak’andro no ho tontosaina ny fitokanana ara-pomba ofisialy ny kianja Barea, izay atao eo ambany fitarihan’ny Filoham-pirenena ary ny hariva amin’ny 7 ora no hanomboka ny lalao Barea sy Bénin » hoy ny avy ao amin’ny EMMO/NAT. Ho betsaka kosa ireo neritreritra ny hanatrika izany rah aavy aty amin’ny vahoaka, « Ny tany Egypte aza naleha maika fa efa eto an-toerana indray, tsy maintsy ho tonga izahay hanohana ireo ekipam-pirenena » hoy i Setra, tanora Malagasy.
Ho hentitra kosa ny fanajana ny filaminana mandritra io andro io mba ho tontosa soa aman-tsara ireo hetsika. « Maro ny fepetra noraisina hitandroana ny filaminana sy hiarovana ny olona hanatrika ary ny fiarovana ireo fananana iombonana » hoy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena. Raha hilamina sy hizotra tsara tokoa ny fotoana dia tsy hitsanga-menatra isika eto Madagasikara manoloana ireo vahiny ka ho rehareha izany satria vahoaka Hendry tokoa ny Malagasy.
Nicole Rafalimananjara
