SocialTsidika

Fidiran’ny mpianatra : mivarotra ny volony ireo vehivavy

Manita-kevitra ny hivarotra ny volony ireo vehivavy na renim-pianaviana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao.

Noho ny fahasarotan’ny fiainana amin’izao fotoana izao sy ny fisian’ny olona mividy volo eto Madagasikara indrindra fa eto Antananarivo dia lasa maro ireo renim-pianakaviana izay tratran’ny fahasahirana no mivarotra ny volon’izy ireo mba hampidirana ny zanany any an-tsekoly. Tena efa miharihary tokoa ve ny fahantrana no ny volo avy no hamidy ? Etsy andaniny izany vao volana vitsivistsy izay no nalaza tao amin’ny tambajotran-tserasera ny fisian’ny olona mividy volo gasy izay atao tovana ny volo na atao solovolo mihitsy aza ka izany angamba no antony nahatafaromboka ny renim-pianakaviana ny hivarotra ny volony.

Rehefa nanontaniana ny renim-pianakaviana iray izay anisany nivarotra ny volony dia izao no voalazany : « Efa hitantsika fa efa mihamafy ny fiainana, ny zaza mila ampianarina, ny fitaovany koa mila vidiana moa ny tena sahirana dia naleoko ny voloko no namidy mba hampianarako ny zanako sady tsy aleo aza ny volo no namidy toy izay ny vatana ! ». Raha nanatona toeram-panaovam-bola iray teto andrenivohitra izahay ka nanontany ny vidin’ny volo izay vidian’izy ireo dia nilaza izy ireo fa 100 000 ar izany hatramin’ny 600 000 ar any ho any arakarak’ilay volo sy ny halavany ny vidin’izy ireny.

Maro ny olona tsy manaiky ny hamarotana ny volony ary misy koa ireo tsy mahafoy izany saingy misy ireo izay tsy manambola sy sahirana dia lasa mivarotra tsy satry ny volony. Ny olana anefa dia ity vao maika mampitsiry sy mampitombo ireo olon-dratsy izay manapam-bolo an-keriny eny an-tsena ny vehivavy sy ny tovovavy izay tratrany ity fivarotana ny volo ity indrindra fa efa fantatra fa lafo ny ividian’ireny toeram-panaovana volo ireny azy ity.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire