ActualitésTsidika

Fitaterana : Vinavinaina hisokatra amin’ny volana oktobra ny sisin-tany

Mikasa ny hanokatra ny sisintaniny i Madagasikara hoan’ireo mpandeha iraisampirenena ny Fitondrana Malagasy amin’ny volana Oktobra. Izany no fanambarana nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ireo talen’ny orinasa mikambana ao amin’ny « Mouvement des entreprises de France » (Medef) nandritra ny fivoriana filan-kevitry ny orinasa ao France sy Afrika atsinanana raha nanatrika izany izy ny Alarobia 25 Aogositra 2021.

Miankina amin’ny fivoaran’ny valanaretina Covid-d19 anefa izany fisokafan’ny sisintany izany hoy ny filoha manamafy ao amin’ny pejy facebook-ny. Noresahina tamin’izany fivoriana izany ny famohazana ny sehatry ny fizahan-tany. Nanontany maahakasika izany fisokafan’ny sisintany izany ireo solotenan’ny vondrona ADP (Aéroport de Paris) izay izy ireo no mpitantana ny seranam-piara-manidina Antananarivo sy Nosy Be amin’ny alalan’ny Ravinala Airports.

Raha ny nambaran’ny ministry ny fizahan-tany, Joël Randriamandranto, hisokatra ary ho azo ampiasaina mialohan’ny hisokafan’ny sisintany ny seranam-piaramanidina vaovao ao Antananarivo.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire