ActualitésTsidika

Fahasalamana : Tsy mitsaha-mitombo ny antotan’isa manodidina ny aretina covid-19

Toy ny fanao efa volana maromaro izay dia isaky ny faran’ny herinandro no hamoahana ny isa mahakasika ny fivoaran’ity valan’aretina ity. Raha ny tatitra tamin’ny herinandron’ny 21 novambra ka hatramin’ny 27 novambra teo dia niakatra be indray ny tahan ‘ireo mitondra ny tsimok’aretina. Nahatratra 209 izany ka ny 172 amin’ireo dia teto Analamanga avokoa. Na dia eo aza ny fanentanana amin’ny fanaovana vakisiny dia mila samy miaro tena avokoa ny olon-drehetra.

« Tsy misy didy mivoaka intsony amin’ny tsy maintsy hampiasana fiarovana fa kosa ny tsirairay dia tokony samy handray andraikitra amin’ny fiarovana ny tenany sy ny manodidina azy. Izay fomba fiarovana maharesy lahatra ny isan-tokony no andeha hampiasaina fa tsy terena amin’ny zavatra iray ny olona. Mbola eo ihany koa ny CVO hanampy ny vatana hampitombo ny hery fiarovana », hoy i Pr Zely Randriamantany, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.

« Misy ihany anefa ireo fiarovana izay azon’ny tsirairay hatao raha mbola hitany fa mahasoa. Entanina araka izany ny fampiasana ny aro vava any amin’ny toerana mihidy sy teritery kanefa be olona. Ny tena idealy dia ny fanasana tanana matetika miaraka amin’ny savony hamonoana ny tsimok’aretina », hoy hatrany ny fanazavana.

« Raha ny fahitako azy aloha dia mbola tena mitoetra io aretina io. Toa tsy mety miala mihitsy fa lefilefy kely dia vetivety eo dia mitombo indray. Mbola tsy niala mihitsy ny ahy ny fiarovan-tena fa mbola notanako foana satria efa namoy havana tamin’io », hoy i Mendrika, mponina Ambohimangakely.

Ny fiovaovan’ny toetr’andro tato ho ato ihany koa anisan’ny antony miteraka tsy fahasalamana toy ny gripa sy ny serisery. Mila mailo hatrany anefa manoloana izany satria miovaova ny fisehon’ity aretina ity. Fotoan’ny voankazo izao, ka tsara ihany koa raha mihinana voankazo matetika hanampiana ny hery fiarovana. Raha manana fahefana manao sakafo ara-pahasalamana isan’andro no tena idealy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire