Etats-Unis : Tovolahy kely 12 taona no maty noho ny lalao « roulette russe »
Lalao mampidi-doza ny « roulette russe », lalaom-bitana mety ahafaty izy io. Ametrahana bala iray ao anaty basy ary mifandimby mametraka izany eo amin’ny lohany ireo mpifaninana mandrapahita ilay bala iray izany hoe mandra-pipaokany.
Zazalahy 12 taona monja i Markell Noah izay tsy hita nanomboka ny alakamisy teo tao Mississippi. Nitaintaina ny ray aman-dreniny ary nanomboka ny fikarohana azy. Ny faran’ny herinandro teo no hita ny fatiny tao anaty trano foana iray.
Raha ny valin’ny fanadihadiana voaohany navoakan’ny manam-pahefana dia « roulette russe » niaraka tamin’ny ankizy nitovy taona taminy izy. Nahitana bala tao amin’ny lohany ary fantatra fa izy ihany no nitifitra izany.
Zaza tsy ampy taona roa kosa no nosamborina nohon’ny famonoana olona manoloana io tranga io ary tovolahy iray 21 taona ihany kosa nohon’ny firaisana tsikombakomba.
