Irak : Ady amin’ireo mpampihorohoro.
Nanapa-kevitra ny OTAN na ny “Organisation du Traité d’Atlantique Nord“ fa hanampy an’I Irak amin’ny ady amin’ireo silamo mahery fihetsika. Hanome fampihofanana ny miaramila 500 ka hatramin’ny 4 000 ny OTAN. Hanomboka ny volana ho avy izao ity fanofanana ity mba ahafahan’ny firenena mampandry haingana ny fireneny. Miara-mikaon-doha araka izany ny mpikambana ao amin’ny OTAN mba hanitarana ny paik’ady hiadiana amin’ny ireo mpanao fihetsika mahery. Tsiahivina fa ity firenena ity izay mbola tena lasibatra amin’ny ady nandritran’ny taona maro. Ankoatra izany, efa nisy ny fifanarahana fanomezana fampihofanana ny taona 2017, fa saingy fanamafisana ity hatao amin’ity taona ity nohon’ny tsy mbola fitsaharan’ny ady any an-toerana. Ity fikambanana ity izay manome antoka ny amin’ny fandrim-pahalemana sy filaminana ho an’ny mpikambana ao anatin’ny fireneny.
