CFM : Manao antso amin’ny fampihavanam-pirenena.
Amin’izao fotoana mampamaivay ny raharaham-pirenena izao indrindra no miditra an-tsehatra ny komitin’ny fampihavanana Malagasy na ny CFM. Hita tokoa mantsy ny tsy fifankahazoana eo amin’ny mpanohitra sy ny mpitondra fanjakana. Araka ny sata mifehy ity kaomity ity, zava-dehibe eo amin’ny Malagasy ny fihavanana, izany indrindra no antony hisian’ny fandraisam-pitenenana rehefa misy ny savorovoro politika tahak’izao. Tsy azo hodian-tsy hita ny raharaha miteraka tsy fifankahazoana tahaka izao. Manainga ireo antoko politika samihafa ny filohan’ny CFM mba hampandefitra ny hambompo manoloana ny zava-misy. Ny fifampidinihana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra no vahaolana. Tsy ho zakan’ny Malagasy intsony mantsy ny fisian’ny krizy vaovao mety hateraky ny fisavorovoroana ara-politika. Samy manana tanjona ho amin’ny fampandrosoana avokoa ny rehetra ka noho izany no tokony hampitsaharana ny ady. Tsapa nandritran’ny taona maro tokoa mantsy fa tsy nisy firenena nandroso niaina tao anatin’ny ady. Hiteraka fahasahiranana indray ho an’ny vahoaka Malagasy izay efa mitrongy vao homana izany. Ny fifampihainoana eo amin’ny mpitantana sy ny manan-kevitra ihany arak’izany no lalana tokana makany amin’ny fampandrosoana.
Fanilo Rarivoarilala
