Tatitra

Iran : Manao antso avo amin’I Etats-Unis hanala ny sazy napetrak’i Donald Trump.

Maro ny sazy napetraky ny filoha teo aloha Donald Trump ho an’ity firenena ity. Taorian’ny antso nanaovana dinidinika nataon’ny filoha vaovao amerikanina Joe Biden ny zoma maraina teo no nanao fanambarana ny minisitra ao Iran fa foana eo no eo ny filazana fa hahazo sazy vaovao i Iran ; raha toa ka hoesorin’ny amerikanina tsy misy fepetra ihany koa ny sazy rehetra mbola mipetraka eo amin’ny tanin’izy ireo. Nanao ity antso ity izy ireto taorian’ny fisian’ny fivoriana teo amin’ny ministra misahana ny raharahambahiny avy ao France, Grande-Bretagne, Allemagne ary Etats-Unis. Marihina fa nanao fanambarana i Etats-Unis fa manaiky ny hidinidinika miaraka amin’ny Union Européenne sy Iran mahakasika ny fanavaozana indray ny fifanarahana tamin’ny taona 2015. Io fifanarahana io izay mahakasika ny hery nokleary mety hitera-doza. Hiverina indray araka izany ny dinidinika mahakasika azy io raha hotanterahin’i Etats-Unis ny fanirian’ny firenena Iran.

Laisser un commentaire