Ambohimangakely : Mpamily sy mpanampy ny mpamily voasazy noho ny tsy fanarahan-dalàna
Mpamily sy mpanampy ny mpamily avy ao amin’ny zotra-pitaterana E no voasazy taorian’ny tsy fanarahan-dalana nataon’izy ireo, ny alatsinainy teo. Efa fotoana maro no nampitaraina ny mponina ny mahakasika ny fiasan’ity zotra ity ka izao nandraisan’ny kaominina Ambohimangakely ny andraikiny izao.
« Fiara taxibe 2225TBF ity dia nampitaraina ny mpandeha tao anatiny rehefa nampidin’ireo mpamily sy ny mpanampy azy teo Ambodivoara avokoa ireo mpandeha tao anatiny na dia mbola misy aza ny tokony hanohy ny diany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny kaominina manoloana izany ka nampiantso azy ireo » hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely.
« Olana hiainan’ny mponina hatramin’izay io tsy fanajana ny zon’ny mpandeha ataon’ny mpamily sy ny mpanampy azy io. Ilaina ny mampiditra zotra hifaninana amin’izy ireo ary mila hamafisina ny sazy omena azy mba tsy hahasahian’ny hafa manao tahaka izao intsony » hoy i Domoina, mponina ao Ambohimangakely.
Nampiharina tamin’izy ireto moa ny sazy mifandraika amin’ny tsy fanarahana ny bokin’andraikitra sy ny tsy fanajana mpandeha ao amin’ny zotra misy azy ireo. Etsy ankilany dia manao fanentanana hatrany ny tomponandraikitra hametraka fitarainana na hiray hina hatrany raha mbola misy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpitatitra.
Manitra R.
