Ankadikely Ilafy : Nanao tatitra momba ny zava-bita nandritra ny taona lasa ny avy amin’ny CC Wash
Nisy ny fivoriana nataon’ireo tomponandraikitra misahana ny rano ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy tomponandraikitra ao amin’ny kaominina, tamin’ity herinandro ity. Ity no fivoriana voalohany notanterahan’izy ireo ka nanaovana jery todika ny asa vita sy fandaharan’asa ho an’ny taona vaovao, araka ny voalaza.
« Nivoitra nandritra izao fivoriana izao ny fanaovana tatitra ny zava-bita tamin’ny taona lasa sy ny asa miandry amin’ity taona vaovao ity, nisy ihany koa ny tatitra ara-bolan’ny fikambanana nataon’ireo birao » hoy ireo tomponandraikitra.
« ity fikambanana ity izay miara-miasa akaiky amin’ny sampanasa sosialy eto anivon’ny kaominina, indrindra eo amin’ny lafiny fanarahamaso sy ny fanaovana tatitra amin’ny fitantanana ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana manerana ireo fokontany 18 mandrafitra ny kaominina » hoy hatrany ny fanazavana.
Nanamafy ny fiaraha-miasa ny roa tonta nandritra ity fivoriana ity. Mbola maro ireo asa miandry ny fikambanana eny amin’ireo mponina ary anisan’ny miandry ny fanatanetrahana izany ireo mponina isam-pokontany.
