Ankazobe Mahitsy Alasora : Voapetraka tsara ny jiro hanazava ny tanàna
Raha efa betsaka ny Fokontany nahazo ny jiro manazava ny lalana, nahazo ny anjarany ihany koa ny 27 oktobra teo ny Fokontany Ankazobe sy Mahitsy. Tanjona amin’izao fanazavana ny tanàna izao ny mba tsy hampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana intsony, indridra amin’ny alina.
« Mbola hitohy hatrany ny fametrahana jiro isaky ny Fokontany ho entina hampihenana ny tsy fandriam-pahalemana. Na izany aza dia manohy hatrany ny asany ny mpitandro filaminana sy ny andrimasom-pokonolona » hoy ny ben’ny tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Tena manampy be anay avy mivarotra isaky ny hariva ny fahazavana tahaka izao satria tsy hay izay mety hahazo ao anaty maizimaizina » hoy i Clarisse, mponina any an-toerana.
« Asa ho an’ny vahoaka ity ary samy mahalala ny maha-zava-dehibe azy ny rehetra, ka aoka ho saro-piaro amin’ny fananana iombonana tahaka izao mba hisian’ny filaminana mandavan-taona » hoy ireo teknisianina nanangana azy.
Efa mandeha tsikelikely ny fametrahana jiro isaky ny Fokontany, ary antenaina fa samy hahay hikolokolo azy ireny ny fokonolona eny ifotony. Na izany aza mila hamafisina hatrany ny filaminana mba ahafahan’ny vahoaka mihary am-pilaminana, hanandratana avo ny tahan’ny toe-karena eto Madagasikara.
Nicole Rafalimananjara
