ActualitésTatitra

Maurice : Inona moa ny « kweyol » ?

Tenin-dreny ao amin’ny fiaraha-monina iray ny « créole », saingy nianga tamin’ny « pidgin », izay teny notsorina sy noforonina avy tamin’ny voambolana sy rafitry ny teny fototra iray izay avy amin’ny teny Européen amin’ny ankapobeny.

Teny sarotra sy mana-karena toy ny teny hafa rehetra ny « créole ». Mifanohitra amin’izany kosa nefa ny « pidgin », izay teny notsotsorina sy mahantra ary mikorontana. Nentina nanamorana ny fifandraisana teo amin’ny mponina samihafa izy io.

Antsoina hoe « créole » kosa ny « pidgin » rehefa miteny azy maharitra sy mampiasa azy ho tenin-dreny ny mponina. Io fampiasana ny teny matetika io no mahatonga ny teny « créole » hanankarena sy sarotra.

Ny fiaraha-miainan’ireo mpanjanaka sy ny voazanaka no nahateraka ny teny « créole ». Anisan’izany ny ao Caraïbes sy Louisiane ary ny aty amin’ny Océan Indien.

Laisser un commentaire