Sabotsy Namehana: Mila handraisana fepetra ny moba ireo zotra mpitatitra
Velon-taraina ieo mpandeha sy mpampiasa ny zotra H, izay mampitohy an’Andravoahangy amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Voalaza ho tsy manaja ireo mpandeha ireo mpamily sy mpanampy ny mpamily, fa eo ihany koa ny tsy fanajana ny asa ataon’izy ireo izay mampitaraina ny maro.
“Tsy mbola voavaha hatramin’izao ny olan’ity zotra mampijaly ny mpandeha ity. Efa hatramin’ny ela ny mponina, indrindra fa ireo mpampiasa ny zotra no mitaraina momba ny fomba fiasan’ireo mpitatitra fa saingy tsy mbola nisy vahaolana na fandraisana fepetra hatramin’izao” hoy I Liva, mpandeha amin’ny zotra H.
“Tena olana mila vahan’ny tomponandraikitra sy handraisana fepetra ny momba ny fomba fiasan’ity zotra ity. Efa hiverina izao ny famezivezen’ny mpianatra ka ho fijaliana sy fahasahiranana no hiainan’ireo mpandeha raha tsy entitra ireo tomponandraikitra manoloana izao” hoy I Hoby, renim-pianakaviana.
Tranga niseho tamin’ny faran’ny herinandro teo izay nahatonga izany famerenana ny antso avo izany moa, nahatratra hatramin’ny adiny 03ora ny fiandrasana ny zotra H teny Andravoahangy.
Manitra R.
